Antananarivo, le 30 juillet 2024. Le Ministre de la Décentralisation et de l'Aménagement du Territoire, également Ministre des Affaires étrangères par intérim, Naina Andriatsitohaina, a représenté le Président de la République, Andry Rajoelina, et le Chef du gouvernement, lors de la cérémonie d'adieu en l'honneur de SEM Issa SANOGO, Coordonnateur Résident du Système des Nations Unies à Madagascar, et de SEMme Natacha VAN RIJN, Représentante Résidente du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD) à Madagascar.
Le Ministre Naina Andriatsitohaina a exprimé la gratitude du gouvernement malagasy pour les contributions exceptionnelles de ces deux diplomates durant leur mission à Madagascar.
Monsieur Issa SANOGO, en poste depuis novembre 2020, a coordonné des initiatives majeures, telles que la promotion des droits humains, le renforcement de la paix et de la sécurité, et le développement durable. Son leadership a été crucial pour les réponses humanitaires face à la sécheresse dans le Grand Sud de l’île et pendant la crise de la COVID-19.
Quant à Madame Natacha VAN RIJN a mené des initiatives essentielles pour le PNUD, soutenant des programmes de gouvernance démocratique, de justice, d'adaptation climatique et de gestion des finances publiques. Elle a joué un rôle clé dans l'harmonisation de la jurisprudence malagasy et le renforcement des capacités nationales en matière de résilience environnementale.
Le gouvernement malagasy salue la coopération fructueuse avec le Système des Nations Unies, reflétée par le travail de SEM SANOGO et SEMme VAN RIJN, qui ont grandement contribué à l’appui au développement du pays.
–
Lanonana fanolorana mari-pahankasitrahana ho an'Andriamatoa SANOGO Issa sy Ramatoa VAN RIJN Natacha.*
Antananarivo, 30 jolay 2024. Nisolo tena ny filohan’ny Repôblika Andry Rajoelina sy ny Lehiben’ny Governemanta ny Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, Andriatsitohaina Naina, nandritra ny lanonana fanaovam-beloma an’Andriamatoa SANOGO Issa, Mpandrindra monina eto Madagasikara anatin’ny rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, sy Ramatoa VAN RIJN Natacha, Solontena maharitra anivon’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) eto Madagasikara.
Naneho ny fankasitrahana ny fitondram-panjakana malagasy, ny Minisitra Andriatsitohaina Naina nandritra ny lahateniny, tamin’ny fanantanterahan’izy ireo ny asa diplomatika izay niandraketany teto Madagasikara.
Etsy andaniny, Andriamatoa SANOGO Issa, nisahana ny andraikiny nanomboka ny volana novambra 2020, nandrindra ireo hetsika goavana, toy ny fampiroboroboana ny zon’olombelona, fanamafisana ny fandriampahalemana sy filaminana ary ny fampandrosoana maharitra. Nanamarika ny asany teto Madagasikara ny andraikitra lehibe nosahaniny ny ady amin’ny hai-tany tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy sy ny fanohanana amin’ny sehatra maro nandritra ny fandalovan’ny valan’aretina COVID-19.
Etsy ankilany kosa, Ramatoa Natacha VAN RIJN dia nitarika hetsika lehibe tao anatin’ny PNUD ny tenany izay nanohana ny fandaharan'asa momba ny fitantanana ara-demokratika, ny fampanjakana ny rariny, ny fifehezana ny lafin’ny tontolo iainana ary ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana. Nandray anjara lehibe tamin’ny fampirindrana ny lalàna malagasy sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny firenena eo amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa izy.
Nankasitraka ny fiaraha-miasa mahomby amin’ny rafitry ny Firenena Mikambana ny fitondram-panjakana malagasy, izay hita taratra amin’ny asan’Andriamatoa SANOGO sy Ramatoa VAN RIJN, izay nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny firenena.