Madagascar célèbre le 789ème anniversaire de l'indépendance de l'Inde

Antananarivo, le 15 août 2024 – Le Ministre des Affaires étrangères par intérim, Monsieur Naina ANDRIANTSITOHAINA, a représenté le Gouvernement malagasy à la célébration de la Fête nationale indienne, marquant le 78ème anniversaire de l’indépendance de la République de l’Inde.
 
Au nom de Son Excellence Monsieur Andry RAJOELINA, Président de la République de Madagascar, du Gouvernement et du peuple malagasy, le Ministre a adressé ses félicitations les plus chaleureuses à Son Excellence Madame Droupadi MURMU, Présidente de la République de l’Inde, et à Son Excellence Monsieur Narendra MODI, Premier Ministre, ainsi qu’à l’ensemble du peuple indien.
 
Le Ministre a félicité l'Inde pour la tenue réussie des récentes élections générales, qui ont encore renforcé l'indépendance de ce grand pays démocratique, et a exprimé ses félicitations à Son Excellence Monsieur Narendra MODI pour la victoire de son parti, le Bharatiya Janata Party.
 
Le Ministre a réaffirmé le soutien de Madagascar à la vision SAGAR (Sécurité et Développement pour tous dans la région de l’Océan Indien) initiée par le Premier Ministre indien, soulignant l'importance de la sécurité régionale pour atteindre une prospérité économique durable.
----
 
𝙁𝙖𝙣𝙠𝙖𝙡𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖 78 𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙡𝙚𝙤𝙫𝙖𝙣-𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝙍𝙚𝙥𝙤̂𝙗𝙡𝙞𝙠𝙖𝙣'𝙞 𝙄𝙣𝙙𝙚.
Antananarivo, 15 Aogositra 2024 – Nisolo tena ny Governemanta malagasy, nandritra ny fankalazana ny Fetim-pitenena indiana androany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ANDRIANTSITOHAINA Naina, manamarika ny faha-78 taona nahazoan’ity firenena ity ny fahaleovan-tenany.
 
Tamin’ny anaran’ny Filohan'ny Repôblika malagasy Andriamatoa Andry RAJOELINA ny governemanta sy ny vahoaka malagasy no nirariany soa sy niarahabany an-dRamatoa Droupadi MURMU, Filohan’ny Repoblikan’i Inde, ny Praiminisitra Andriamatoa Narendra MODI ary ny vahoaka indiana iray manontolo.
 
Zavadehibe loatra ny fankalazana androany hoy Andriamatoa Minisitra, tsy ho an’i Inde ihany, fa ho an’izao tontolo izao mihitsy, noho ity firenena ity, manamarika ny demokrasia manerantany, nandova ny sivilizasiona ela indrindra, manankarena fahasamihafana.
 
Noararaotin’Andriamatoa Minisitra ihany koa ity fotoana ity, niarahabana ny firenena indiana nahatontosa ny fifidianana filoham-pirenena, ka nampivoaka ho mpandresy ny antoko Bharatiya Janata Party.
 
Nanamafy ny fanohanan’i Madagasikara ny Vina SAGAR (Sécurité et Développement pour tous dans la région de l’Océan Indien) an’ny Praiminisitra indiana izay mampivoitra ny maha-zavadehibe ny fandriam-pahalemana rezionaly, hahatratrarana ny firoboroboana ara-toekarena maharitra ihany koa Andriamatoa Minisitra, nandritra ity lanonana ity.