𝗖𝗹𝗼̂𝘁𝘂𝗿𝗲 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗥𝗲́𝘂𝗻𝗶𝗼𝗻 𝗱𝘂 𝗖𝗼𝗻𝘀𝗲𝗶𝗹 𝗱𝗲𝘀 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗿𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗦𝗔𝗗𝗖 𝗮̀ 𝗛𝗮𝗿𝗮𝗿𝗲
Harare, le 14 août 2024. La réunion des Ministres des Affaires étrangères de la Communauté de Développement d’Afrique Australe/SADC s'est conclue ce jour à Harare, au Zimbabwe, après deux journées de travail intenses les 13 et 14 août. Madame la Ministre des Affaires étrangères de Madagascar a pris une part active aux délibérations de cette réunion.
Madagascar a saisi cette occasion pour présenter officiellement la candidature de Monsieur Richard RANDRIAMANDRATO au poste de Président de la Commission de l’Union Africaine, marquant ainsi son engagement continu dans les instances régionales et continentales. De plus, Madagascar a plaidé pour une meilleure prise en compte des besoins spécifiques des États insulaires dans la conception et la mise en œuvre des programmes et projets régionaux. Cette demande a été intégrée dans les décisions finales, en particulier dans les domaines de l’énergie, de l’accès à l’eau potable, de l’assainissement, et du développement du corridor maritime.
En clôturant la réunion, le Dr Frédérick Shava, Ministre des Affaires étrangères et du Commerce international du Zimbabwe, a déclaré : « Puissions-nous continuer les efforts pour une SADC prospère et en paix.»
𝐂𝐫𝐞𝐝𝐢𝐭 𝐩𝐡𝐨𝐭𝐨: 𝐒𝐀𝐃𝐂 - 𝐡𝐭𝐭𝐩𝐬://𝐰𝐰𝐰.𝐟𝐚𝐜𝐞𝐛𝐨𝐨𝐤.𝐜𝐨𝐦/𝐬𝐚𝐝𝐜.𝐢𝐧𝐭
—
𝗙𝗮𝗺𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘃𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗻𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗦𝗔𝗗𝗖
Harare, 14 aogositra 2024. Nifarana androany ny fivorian’ny filan-kevitry ny Minisitra anatin’ny vondrona SADC na Vondrom-piarahamonin’ny Fampandrosoana Afrikana Tatsim na rehefa nidinika roa andro nisesy ny 13 sy 14 aogositra.. Nandray anjara mavitrika tamin’ity fivoriana ity Ramatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika.
Miisa 96 ny fitambaran'ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra izany fivoriana izany ary mahakasika sehatra lehibe maro, raha tsy itanisa afatsy ny sehatry ny fitantanam-bola, ny fitantanana ara-panjakana, ny programa sy ny tetikasa maro, ny fanaraha-maso miodidina izany rehetra izany, sns.
Nandritra io fivorian’ny filan-kevitry ny Minisitra io ihany no nahafahan’i Madagasikara nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny firotsahan-kofidian’Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Ankoatra izay dia nitaky ny fandinihana tsaratsara kokoa ny filàna manokana ho an’ireo nosy i Madagasikara amin’ny famolavolana sy fanatanterahana ny fandaharan’asa sy tetikasa isam-paritra. Tafiditra ao anatin’ny fanapahan-kevitra farany izany fangatahana izany, izay mahakasika ny sehatry ny angovo, ny fahazoana rano fisotro, ny fidiovana ary ny fampandrosoana ny lalan-dranomasina.
Ho famaranana ny fandraisam-pitenenany, Namarana ny fihaonana, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny varotra iraisam-pirenena any Zimbaboe, Dr Frédérick Shava: “Enga anie isika hanohy hatrany ny ezaka rehetra hampiroborobo sy hampilamina ny firenena anatin’ny vondrona SADC”/ « Puissions-nous continuer les efforts pour une SADC prospère et en paix.»