𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐬𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐬𝐜𝐞̀𝐧𝐞 𝐢𝐧𝐭𝐞𝐫𝐧𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞
𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐫𝐞𝐩𝐫𝐞𝐧𝐝 𝐬𝐚 𝐩𝐥𝐚𝐜𝐞 𝐥𝐞́𝐠𝐢𝐭𝐢𝐦𝐞 𝐝𝐚𝐧𝐬 𝐥𝐞 𝐜𝐨𝐧𝐜𝐞𝐫𝐭 𝐝𝐞𝐬 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬
𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐞́𝐥𝐮 𝐕𝐢𝐜𝐞-𝐩𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐞 𝐥'𝐀𝐬𝐬𝐞𝐦𝐛𝐥𝐞́𝐞 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐞𝐬
L'élection de Madagascar comme Vice-président de l'Assemblée générale des Nations Unies pour 2024-2025 témoigne de la confiance internationale, offrant au pays une occasion unique de renforcer sa visibilité et d'affirmer sa place sur la scène mondiale.
𝐄𝐧𝐠𝐚𝐠𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐚𝐮 𝟒𝟒𝐞̀𝐦𝐞 𝐒𝐨𝐦𝐦𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐒𝐀𝐃𝐂
La participation d’une délégation de Madagascar au 44ème Sommet des Chefs d'État et de Gouvernement de la SADC, qui se tient du 7 au 18 août 2024 à Harare, Zimbabwe, dirigée par le Président de la République, SEM Andry Rajoelina, témoigne de l'engagement du pays envers l'intégration régionale et la coopération multilatérale, tout en offrant une occasion de renforcer les relations avec les partenaires régionaux et de promouvoir une vision commune pour une Afrique australe prospère et résiliente.
À noter que ce Sommet est précédé par le Conseil des Ministres, auquel madame Rafaravavitafika Rasata, Ministre des Affaires Étrangères prend part actuellement.
𝐋𝐞𝐚𝐝𝐞𝐫𝐬𝐡𝐢𝐩 𝐚𝐮 𝟓𝐞̀𝐦𝐞 𝐒𝐨𝐦𝐦𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐂𝐎𝐈
L'acceptation par le 38ème Conseil des Ministres de la Commission de l’Océan Indien (COI) de la proposition de Madagascar d'accueillir le 5ème Sommet des Chefs d'État et de Gouvernement de la COI à Antananarivo, sous le thème central de la sécurité et de la souveraineté alimentaires de l’Indianocéanie, témoigne du leadership stratégique de Madagascar dans la région. Un leadership renforcé par la nomination de M. Edgard Razafindravahy comme Secrétaire Général de la COI, en présence des Chefs d'État, partenaires, et observateurs internationaux.
𝐏𝐚𝐫𝐭𝐢𝐜𝐢𝐩𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐚̀ 𝐥𝐚 𝐫𝐞́𝐮𝐧𝐢𝐨𝐧 𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞́𝐫𝐢𝐞𝐥𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐓𝐈𝐂𝐀𝐃 𝟐𝟎𝟐𝟒, 𝐞𝐧 𝐩𝐫𝐞́𝐩𝐚𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐒𝐨𝐦𝐦𝐞𝐭 𝐓𝐈𝐂𝐀𝐃 𝟐𝟎𝟐𝟓
La délégation malagasy, qui sera conduite par madame Rafaravavitafika RASATA, Ministre des Affaires étrangères, à la réunion ministérielle de la TICAD les 24 et 25 août 2024 à Tokyo, participera activement aux discussions sur l'économie, le commerce et l'investissement, tout en explorant des opportunités de coopération avec le Japon et en renforçant les relations multiformes avec les partenaires internationaux, en préparation du Sommet TICAD de 2025.
𝐏𝐚𝐫𝐭𝐢𝐜𝐢𝐩𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐡𝐚𝐮𝐭 𝐧𝐢𝐯𝐞𝐚𝐮 𝐝𝐞 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐚𝐮 𝐒𝐨𝐦𝐦𝐞𝐭 𝐅𝐎𝐂𝐀𝐂 𝐞𝐧 𝐂𝐡𝐢𝐧𝐞
𝐄𝐧𝐠𝐚𝐠𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐚𝐮 𝐅𝐎𝐂𝐀𝐂
Le Président de la République conduira une délégation malagasy au FOCAC, en Chine. Cette participation reflète l’engagement de Madagascar à maximiser les opportunités économiques offertes par la coopération sino-africaine, tout en renforçant les investissements stratégiques et le développement durable
𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐞𝐭 𝐥𝐚 𝐜𝐨𝐨𝐩𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐮𝐝-𝐒𝐮𝐝
Dans le cadre de sa politique étrangère, Madagascar considère la coopération Sud-Sud comme un pilier essentiel pour réaliser ses objectifs de développement en tant que nation moderne et prospère. Fondée sur le principe de solidarité entre pays en développement, cette coopération vise à promouvoir l'échange de compétences et de ressources pour relever les défis communs. Madagascar s'engage activement à renforcer ses partenariats avec d'autres nations du Sud, notamment dans les secteurs de l'agriculture, de la pêche et de l'économie bleue, où son expertise est largement reconnue. Cette approche a pour objectif non seulement de stimuler la croissance économique interne, mais aussi de consolider la position de Madagascar en tant qu'acteur clé au sein de la communauté internationale des pays en développement.
En s'investissant dans la coopération Sud-Sud, Madagascar aspire à créer des synergies positives avec d'autres nations partageant les mêmes aspirations de développement durable. Le pays met un accent particulier sur l'intégration régionale et le partage des meilleures pratiques, en vue de promouvoir une prospérité collective. La vision de Madagascar pour une nation moderne et prospère repose sur une diplomatie proactive, dans laquelle la coopération Sud-Sud devient un levier stratégique pour attirer les investissements, s’industrialiser, développer les infrastructures, et renforcer les capacités institutionnelles nécessaires à un progrès économique et social durable.
--------------
𝐌𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚
Salama tsara sy mahomby, ary mizotra araka ny politikam-pirenena mipetraka, mahakasika ny raharaham-bahiny ny diplomasia malagasy ankehitriny. Manaporofo izany ireo fandraisana andraikitra eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo fitsidihana tanterahan’ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena sy ireo fandraisana vahiny manan-kaja na eo amin’ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena, na amin’ny samy firenena, na ny resaka ekonomika na amin’ny seha-pivoarana maro.
𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚, 𝐯𝐨𝐚𝐟𝐢𝐝𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚 𝐥𝐞𝐟𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐯𝐨𝐫𝐢𝐚𝐦𝐛𝐞𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚
Raha ny eo anivon’ny firenena mikambana, maneho ny fahatokisan’ny Firenena Mikambana ny fahaiza-manaon’i Madagasikara ka naha-voafidy antsika ho filoha lefitry ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana mandritra ny herintaona manomboka ny volana septambra 2024 ka hatramin’ny septambra 2025.
Madagasikara irery no firenena nosy afrikanina voafidy ho filoha lefitry ny fivoriambe, ka ny hampiroborobo ny soatoavin'ny « insularité » ary hisolo vava ny fanekena ny maha manokana azy, ary manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena rehetra mba hanafainganana ny fampandrosoana.
𝐌𝐢𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚
Mahakasika ny vondrona SADC, dia nandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony faha-44 an’ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta, ialohavan’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny 7 ka hatramin’ny 18 aogositra 2024 any Harare, Zimbaboe i Madagasikara ka ny Filohan’ny Repôblika Andry RAJOELINA no mitarika ny delegasiona mandritra ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy ny governemanta . Ramatoa Rasata Rafaravavitafika , Minisitry ny Raharaham-bahiny no misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny filankevitry ny minisitra.
Manome sehatra hanamafisana ny fifandraisana amin'ireo mpiara-miombon'antoka isam-paritra, fifanakalozan-kevitra momba ireo olana stratejika iraisana ary andraisana anjara mavitrika amin'ny fananganana faritra mandroso kokoa sy maharitra ity vovonana ity ary vina iombonana ny momba an'i Afrika Atsimo miray hina ka hampiroborobo ny fiaraha-miasa amin'ireo firenena mpikambana, hiatrehana ireo fanamby amin'izao fotoana sy ho avy.
𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 : 𝐌𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐨𝐬𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐞 𝐢𝐧𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚
Ny volana Desambra 2024, hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-5 ataon’ny Filoham-panjakana sy ny Governemanta eo anivon’ny COI / Commission de l’Océan Indien isika, araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra faha-38 an’ny COI tany Maorisy tamin’ny volana jolay lasa teo. Hifantoka amin'ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fiandrianam-pirenena aty amin’ny faridranomasin’ny Oseana Indianina izay olana lehibe ho an'ny faritra io vondrona io.Tsiahivina fa fahombiazana ara-diplomatika ho an’i Madagasikara ihany koa ny fanendrena ny SG COI Malagasy faha-telo Andriamatoa Edgard Razafindravahy ny volana Jolay 2024.
m𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨𝐥𝐚𝐟𝐲
Handray anjara amin’ny fivorian’ny minisiteran’ny TICAD/ Tokyo International Conference on African Development, any Tokyo i Madagasikara ny 24 sy 25 aogositra 2024 ho avy izao. Fivoriana ho fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny TICAD amin’ny volana aogositra 2025 izy io ka miompana amin’ny lohahevitra hoe “Co-créer des solutions innovantes avec l’Afrique”. Ankoatra io fivoriana io dia mikasa hiaona miaraka amin'ireo fikambanana japoney samihafa ihany koa ny tomponandraikitra ambony malagasy. Irika fanararaotra entina mampandroso ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japana ihany koa ny fandraisantsika anjara amin’ny TICAD noho ireo fifanakalozana kasaina hatao hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.
𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐦𝐛𝐞 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐅𝐎𝐂𝐀𝐂
Ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny FOCAC amin’ny ambaratonga ambony miaraka amin’ny delegasiona tarihin’ny Filohan’ny Repôblika Andry Rajoelina, ny volana septambra ho avy izao, dia hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Chine sy Madagasikara. I Chine izay mpiara-miombon’antoka voalohany ara-barotra amin’i Madagasikara, ary heverina hampitombo ny sehatra fampiasam-bola mivantana avy any ivelany (IDE) sinoa amin'ny sehatra stratejika toy ny fotodrafitrasa, angovo, fambolena ary ny TIC io fivoriana an-tampony Sinoa- Afrika io.
𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨
Ao anatin’ny politikan’ny raharaham-bahiny eto Madagasikara dia heverina ho andry ifotony hanatrarana ny tanjona amin’ny fampandrosoana ny firenena maoderina sy mandroso ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena amin’ny faritra Atsimo. Ity fiaraha-miasa ity dia mifototra amin'ny foto-kevitry ny firaisankina eo amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana, fampiroboroboana ny fifanakalozana fahaiza-manao sy loharanon-karena mba handresena ireo fanamby iraisana. Manamafy ny fiaraha-miasany amin’ireo firenena hafa amin’ny faritra Atsimo i Madagasikara, indrindra amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny sehatra maro lafy (fambolena, jono ary toekarena manga …). Tsy natao hanentanana ny fitomboana ara-toekarena anatiny ihany izany fa hanamafisana ny toeran’i Madagasikara amin’ny maha-mpilalao fototra azy eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ireo firenena andalam-pandrosoana.
Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena anatin’ny faritra Atsimo no hahafahan’i Madagasikara hametraka fiaraha-miasa mahomby amin’ireo firenena hafa mitovy vina ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Ny vinan'i Madagasikara ho amin'ny firenena maoderina sy mandroso dia mifototra amin'ny diplaomasia mavitrika, izay mahatonga ny fiaraha-mientana eo amin’ny firenena anatin’ny faritra Atsimo ho fitaovana ilaina hanentanana ireo mpampiasa vola anatin’ny sehatra indostrialy, ny fotodrafitrasa ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny andrim-panjakana ho amin'ny fandrosoana ny ara-toekarena sy sosialy.