Madagascar - Chine : FOCAC

Antananarivo, le 08 août 2024. La Ministre des Affaires Étrangères de Madagascar, Madame Rafaravavitafika Rasata, a reçu en audience Son Excellence Monsieur JI Ping, Ambassadeur de la République Populaire de Chine à Madagascar. Cette rencontre s'inscrit dans le cadre des préparatifs du prochain Sommet sur le Forum de Coopération Sino-Africaine (FOCAC).

 
Au cours de cet échange, les discussions ont porté sur la participation de la délégation malagasy, qui sera conduite par Son Excellence Monsieur Andry Rajoelina, Président de la République de Madagascar. La réunion a permis d'aborder les points clés de la coopération sino-malgache, ainsi que les priorités communes qui seront mises en avant lors du sommet.
 
Le FOCAC constitue une plateforme essentielle pour renforcer les relations entre la Chine et les pays africains, et Madagascar réaffirme, à travers cette audience, son engagement à contribuer activement à la réussite de cette initiative.
-------
Madagasikara - Chine : FOCAC
 
Antananarivo, 8 aogositra 2024. Noraisin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa RASATA Rafaravavitafika, Andriamatoa JI Ping, Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine eto Madagasikara teny amin'ny toeram-piasany etsy Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampony Afrika/Chine (FOCAC - Forum de Coopération Sino-Africaine) amin'ny volana septambra hoavy izao ty fihaonana ity.
 
Niompana tamin’ny fandraisan’anjaran’ny delegasiona malagasy, izay hotarihin’ny Filohan’ny Repôblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ny dinika. Ny fihaonana dia nahafahana niresaka ireo hevi-dehibe amin’ny fiaraha-miasa Sinoa-Malagasy, ary koa ny laharam-pahamehana iraisana izay hasongadina mandritra ny fihaonana an-tampony.
 
Ny FOCAC dia sehatra iray hahafahana  manamafy ny fifandraisana eo amin'i Chine sy ireo firenena afrikanina, ary i Madagasikara dia manamafy hatrany ny fahavononany handray anjara mavitrika amin'ny fihaonana an-tampony.