𝐎𝐮𝐯𝐞𝐫𝐭𝐮𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐥'𝐀𝐭𝐞𝐥𝐢𝐞𝐫 𝐬𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐋𝐞𝐭𝐭𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝'𝐄𝐧𝐠𝐚𝐠𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚

Antananarivo, le 6 août 2024 - Le Secrétaire général du Ministère des Affaires étrangères, Emi-Haulain KOLA a ouvert officiellement l'Atelier sur la Lettre de Politique Nationale d'Engagement de la Diaspora (LPNED). 

 
Dans son discours, le Secrétaire général a souligné l'importance de cet atelier, fruit d’un travail collaboratif visant à orienter les actions de mobilisation de la diaspora malagasy à l’étranger. Il a rappelé que la diaspora, composée de femmes et d’hommes talentueux et engagés, constitue un levier essentiel de développement et peut apporter des contributions significatives dans la lutte contre la pauvreté.
 
Le Secrétaire général a reconnu les nombreux défis auxquels la diaspora est confrontée, notamment l’intégration dans les sociétés d’accueil, la préservation de l’identité culturelle, et les difficultés liées aux transferts de fonds, à l’entrepreneuriat ou à l’investissement au pays. La Lettre de Politique Nationale pour l’Engagement de la Diaspora offre ainsi un cadre stratégique pour renforcer les liens entre Madagascar et la diaspora, valoriser les compétences des compatriotes à l’étranger, et faciliter leur contribution au développement économique et social du pays. Le projet TADY a été cité comme un exemple concret de cette politique, ayant permis d’identifier de nombreuses opportunités de collaboration entre les différents acteurs impliqués.
 
Pour terminer son intervention, le Secrétaire général a encouragé les participants à dialoguer, échanger des idées et partager des expériences pour examiner des modèles de collaboration réussis, discuter des obstacles potentiels et identifier des stratégies concrètes pour maximiser l'impact de la diaspora sur le développement de Madagascar. Il a conclu en invitant tous les participants à s’engager activement dans cette dynamique et à définir les axes de travail pour une meilleure appropriation de la politique. 
–-----
𝐅𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 “𝐋𝐞𝐭𝐭𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝'𝐄𝐧𝐠𝐚𝐠𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚
 
Antananarivo, 6 aogositra 2024. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa momba ny “Lettre de Politique Nationale d'Engagement de la Diaspora” (LPNED) Andriamatoa Emi-Haulain KOLA, Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, androany. 
 
Nohamafisin’Andriamatoa Sekretera jeneraly nandritra ny lahateniny ny maha zava-dehibe ity atrikasa ity izay vokatry ny fiaraha-miasa izay mikendry ny hitarihana ny hetsika hanentanana ny Malagasy ampielezana any ivelany. Notsiahiviny maro ireo Malagasy ampielezana manan-talenta sy manana ny fahaizana rehetra afaka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fampandrosoana sy ny ady amin’ny fahantrano eto amin’ny firenena. 
 
Tsapa fa maro ny fanamby manoloana ireo Malagasy ampielezana, anisan'izany ny fahaizana miditra anatin’ny fiaraha-monina izay misy any ivelany, ny fitandroana ny kolon-tsaina maha malagasy ary ny fahasahiranana mifandraika amin'ny fandefasana vola, ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Ny LPNED araka izany, dia manolotra rafitra stratejika hanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara sy ireo Malagasy  ampielezana, hahafahana mampiroborobo traikefa hananan’ireo malagasy any ivelany, ary hanamora ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara. Ny tetikasa TADY dia notononina ho ohatra mivaingana amin’ny fanatanterahana ity politika ity, izay nahafahana namaritra fanararaotra maro hiaraha-miasa eo amin'ireo mpisehatra samihafa voakasik'izany.
 
Nanentana ny mpandray anjara rehetra hifampidinika, hifanakalo hevitra ary hizara traikefa Andriamatoa Sekretera jeneraly, Emi-Haulain KOLA mba handinika ireo modely mahomby amin’ny fiaraha-miasa, hahafahana mamaritra paikady mivaingana hampivoitra ny fandraisan’anjaran’ireo Malagasy ampielezana amin’ny fampandrosoana eto Madagasikara.