Madagascar - Angola : Un Engagement pour l’Industrialisation Durable et la Coopération Économique

Dans le cadre de la visite officielle de la délégation malagasy, conduite par Son Excellence Monsieur Andry Rajoelina, Président de la République de Madagascar, la Ministre des Affaires Étrangères Malagasy, Madame Rafaravavitafika Rasata, a rencontré le Ministre du Commerce Angolais. Au cours de cette rencontre, les discussions ont porté sur des thèmes cruciaux tels que la transformation agricole, les industries manufacturières, et le développement des infrastructures énergétiques. Les deux parties ont convenu de l’importance de créer des pôles industriels dans les zones productrices pour garantir un accès efficace à l’eau et faciliter la distribution des produits vers les zones de consommation finale.

 
Les ministres ont également abordé des sujets essentiels pour l’industrialisation durable, incluant l’industrialisation des ressources minières, notamment les diamants, et la transformation du gaz naturel pour la production d’engrais. La nécessité de développer des usines sidérurgiques pour assurer l'indépendance et l'autonomie industrielle a été soulignée. La coopération entre les deux pays pourrait être renforcée par des investissements japonais dans la production textile locale, réduisant ainsi la dépendance aux importations de coton. L’éducation et la formation professionnelle ont également été identifiées comme des priorités, avec un accent particulier sur la production locale de machines agricoles et d'équipements lourds.
 
Ainsi,  Madame Rasata a invité le Ministre angolais et les opérateurs économiques intéressés à visiter Madagascar pour établir des partenariats commerciaux. Les discussions ont également porté sur la promotion des investissements à travers l'AIPEX et l'EDBM, ainsi que sur l'exploration des accords possibles entre les deux ministères. La participation des opérateurs malagasy aux foires commerciales en Angola a été encouragée pour renforcer les liens économiques bilatéraux et favoriser un échange de compétences et de ressources.
 
 
Madagasikara - Angola: Firosoana amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny fiaraha-miasa ara-toekarena
 
Nandritra ny fitsidihan’ny delegasiona malagasy notarihan’ny Filohan’ny Repôblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry Rajoelina, tany Angola,  ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, dia nihaona tamin’ny Minisitry ny Varotra ao Angola. Niompana tamin’ny lohahevitra lehibe toy ny fanodinana ny fambolena, ny indostrian’ny famokarana ary ny fampivoarana ny fotodrafitrasa momba ny angovo ny adihevitra ny fihaonan’izy ireo. Ny roa tonta dia samy mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fananganana toeram-pamokarana indostrialy hanatsarana ny fomba hanamorana ny fahazoana rano madio, sy hanamora ny fanamariahana sy fizarana  ny vokatra. 
 
Nanararaotra io fihaonana io ihany koa ny minisitra roa tonga ny niresaka momba ireo lohahevi-dehibe mahakasika ny indostria maharitra. Anisan’izany ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany, indrindra ny diamondra, ary ny fanodinana ny entona voajanahary ho amin’ny famokarana zezika. Noresahin’izy ireo ihany koa ny filàna hampivoatra ireo orinasa manodina vy hiantohana ny fahaleovantena indostrialy. Ny mpampiasa vola Japoney ihany koa dia afaka manohana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Angola eo amin'ny sehatry ny famokarana lamba eo an-toerana, ka hampihena ny fiankinan-doha amin'ny fanafarana landihazo. Heverina ho laharam-pahamehana hatrany ny fampianarana sy ny fanofanana arak’asa, ary hamafisina amin’ny famokarana milina fanodinam-bokatra eo an-toerana. 
 
Ho famaranana ny dinika nifanaovan’ny minisitra roa tonta, dia nanasa ny minisitry ny varotra  sy ireo mpandraharaha ara-toekarena liana hitsidika an’i Madagasikara Ramatoa Rasata Rafaravavitafika hahafahana manangana fiaraha-miasa ara-barotra. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola amin’ny alalan’ny AIPEX sy ny EDBM ihany koa ny dinika, ary koa ny fijerena ny mety hisian’ny fifanarahana eo amin’ny minisitera roa tonta. Ny fandraisan'anjaran'ireo mpandraharaha malagasy amin'ny tsenam-barotra any Angola dia hamporisihana tanteraka ho fanamafisana ny fifandraisa ara-toekarena sy hampiroboroboana ny fifanakalozana fahaiza-manao.