Célébration de la Fête du Trône du Roi de Maroc
Antananarivo, le 30 juillet 2024. À l'occasion de la célébration des 25 ans d'intronisation de Sa Majesté le Roi Mohammed VI, le Ministre de la Décentralisation et de l'Aménagement du Territoire, également Ministre des Affaires étrangères par intérim, Naina Andriatsitohaina, a exprimé la solidarité et la reconnaissance de Madagascar envers le Maroc. Cette célébration est non seulement une fête nationale pour le Maroc, mais aussi une occasion pour le peuple marocain de rendre hommage à son histoire millénaire et à ses valeurs culturelles.
Le Ministre Naina Andriatsitohaina, au nom du Président Andry Rajoelina et du gouvernement malagasy, a adressé ses félicitations à Sa Majesté le Roi Mohammed VI pour son leadership visionnaire et son engagement envers le développement durable du Maroc. Il a également mis en lumière les liens historiques et fraternels entre Madagascar et le Maroc, soulignant trois décennies de relations diplomatiques qui ont favorisé des collaborations fructueuses dans divers domaines, tels que le renforcement des capacités, l'économie, le commerce et la santé.
En vue du trentième anniversaire de l'établissement des relations diplomatiques entre les deux pays, le Ministre a salué les récentes initiatives conjointes, y compris la décision d'ouvrir une représentation diplomatique malagasy à Rabat. Cette action symbolise la volonté de Madagascar de renforcer ses liens avec le Maroc, un partenaire stratégique dans les domaines du développement humain, de l'industrialisation et de la bonne gouvernance.
–
Fankalazana ny andron'ny Fiandrianan'ny Mpanjakan'i Maroc
Antananarivo, 30 jolay 2024. Tonga nanotrona ny fankalazana ny faha-25 taona nitondran’ny Mpanjaka Mohammed VI, ny Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ary koa Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo-toerana, Andriamatoa Naina Andriatsitohaina, mariky ny fanamafisana ny firaisan-kina eo amin’i Madagasikara sy Maroc.
Ny Minisitra Naina Andriatsitohaina, izay nisolo tena ny filohan’ny Repôblika Andry Rajoelina sy ny governemanta malagasy, no naneho ny fiarahabana ho an’ny Mpanjaka Mohammed VI noho ny fanoloran-tenany amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena marokana. Nasongadiny nandritra ny lahateniny ihany koa ny fifandraisana ara-tantara sy ara-pirahalahiana misy eo amin’i Madagasikara sy Maroc, izay niteraka fiaraha-miasa nahavokatra teo amin’ny sehatra marolafy, toy ny fampivoarana ny fahaiza-manao, ny toekarena, ny varotra ary ny fahasalamana.
Manoloana ny faha-30 taona niorenan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’ny firenena roa tonta, dia naneho fisaorana manokana ny Minisitra tamin’ny fanapahan-kevitra ny hanokafana masoivoho malagasy any Rabat. Ny fanjakana malagasy dia vonona hatrany ny hanamafy ny fifandraisany amin’i Maroc, izay mpiara-miombon’antoka stratejika eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny maha-olombelona, ny fampiroboroboina ny indostria ary ny fanjakana tsara tantana.