Réception en l'honneur de la visite de l'Arche de la paix à Madagascar
Antsiranana, le 26 juillet 2024 - Le bateau-hôpital "Arche de la paix" est en visite à Madagascar, marquant un nouveau chapitre dans les relations d'amitié entre Madagascar et la République populaire de Chine. Une réception a été organisée à Antsiranana pour célébrer cet événement, avec la participation de Madame la Ministre des Affaires étrangères, Rafaravavitafika Rasata.
Lors de son discours, la Ministre a mis en lumière l'importance de cette visite, qui renforce la coopération entre les deux pays. Elle a exprimé la volonté de Madagascar de continuer à développer des relations stratégiques avec la Chine, dans le but de favoriser le développement mutuel.
Par ailleurs, Madagascar participera également au Forum sur la Coopération Sino-Africaine prévu pour le mois de septembre. Ce forum offrira une plateforme pour approfondir les discussions et identifier de nouvelles opportunités de collaboration avec la République de Chine. Madame Rasata a également salué les réalisations de la Chine, soulignant que ce pays est un modèle inspirant pour les nations en développement, ayant réussi à sortir une grande partie de sa population de la pauvreté en seulement 40 ans.
La Ministre a réaffirmé l'engagement de Madagascar à renforcer les liens avec la Chine, pour le bien-être de la population malagasy et le développement du pays. Elle a ajouté que la visite de l'Arche de la paix est une opportunité pour la population de la région Diana, offrant des services médicaux essentiels et renforçant l'amitié entre les deux nations.
********
Fankalazana ny firahalahiana eo amin’i Madagasikara sy Chine: Fandalovan’ny sambo-hopitaly “Arche de la paix” eto Madagasikara*
Antsiranana, faha 26 jolay 2024. Ho fanamarihana ny fandalovan’ny sambo-hopitaly lehibe “Arche de la paix” eto Madagascar, dia nisy ny fihaonana teo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo avy amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine androany. Nandray anjara fitenenana nandritra izany fihaonana izany Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Nandritra ny lahateniny no nahafahany nanamafy fa manome tolotra ara-pitsaboana tena ilain’ny vahoaka ao Antsiranana ny fandalovan’ny “Arche de la paix” eto Madagasikara ary manamafy ny firahalahina eo amin'ny firenena roa tonta. Nanamafy araka izany ramatoa Minisitra fa mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Madagasikara ary ny firenena malagasy dia vonona ny amin’izany.
Marihina fa handray anjara amin’ny dinika lehibe iarahan’i Afrika sy Chine / FOCAC, i Madagasikara amin’ny volana septambra ho avy izao. Ny tanjona amin’ny fandraisana anjara amin’izany dinika izany dia ny hampiakatra ny lentan’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta mba hiakatra amin’ny lentan’ny fifanarahana sy fifandraisana ara- stratejika.
Nanamafy Ramatoa Minisitra fa ny Repoblika entim-bahoaka an’i Chine dia anisan’ny modely noho ny fahavitany nanaisotra ny fahantrana anatin’ny fireneny tao anatin ny 40 taona monja. Noho izany, vonona ny hifanome tanana sy hifandray be be kokoa amin’i Chine i Madagasikara hahafahana miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ny vahoaka malagasy rehetra.