Madagascar Renforce Son Engagement au Forum des Nations Unies sur le Développement Durable

Une délégation menée par la Ministre des Affaires étrangères, madame Rafaravavitafika Rasata, incluant le Ministre en charge de l’Environnement, M. Max Fontaine, participe au Forum politique de haut niveau des Nations Unies sur le développement durable (FPHN 2024) à New York du 08 au 17 juillet 2024. Adoptés en 2015, les 17 Objectifs de Développement Durable (ODD) visent à être réalisés d'ici 2030.

Le FPHN 2024 examinera les ODD 1 (pas de pauvreté), ODD 2 (zéro faim), ODD 13 (lutte contre le changement climatique) et ODD 16 (paix, justice et institutions efficaces) sous le thème « Renforcer le Programme 2030 et éradiquer la pauvreté en période de crises multiples ». Une déclaration ministérielle, guidant les actions nécessaires pour atteindre les ODD, sera adoptée à l’issue du segment ministériel du 15 au 17 juillet 2024.

Madagascar est déterminé à transformer ses engagements en actions tangibles pour réaliser le programme 2030 et construire un monde plus équitable et durable pour les générations futures.

******

Manamafy ny fahavononany amin’ny fihaonan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana maharitra i Madagasikara.

Ny delegasiona tarihin-dRamatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, anisan’izany ny Minisitry ny tontolo iainana, Andriamatoa Fontaine Max, dia mandray anjara amin’ny Fihaonambe Politikan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana maharitra (Forum politique de haut niveau des Nations Unies sur le développement durable) any New York ny 8 hatramin’ny 17 Jolay 2024. Nolaniana tamin’ny taona 2015 ireo tanjona miisa-17 ho an'ny fampandrosoana maharitra izay vinavinaina ho tratrarina amin’ny taona 2030.

Handinika ny momba ny ODD laharana 1 (fanafoanana ny fahantrana), ny ODD faha 2 (fanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo), ODD faha 13 (ady amin'ny fiovan'ny toetr'andro) ary ny ODD faha 16 (ny fandriampahalemana, ny rafipanjakana tan-dalàna, ary ny andrim-panjakana maritoerana) izay miompana amin’ny lohahevitra hoe “Fanamafisana ny fandaharan’asa 2030 sy fanafoanana ny fahantrana anatin’ny fotoan’ny krizy na korontana”. Hisy ny fanambarana ho ataon’ny minisitera hahafahana manatanteraka ireo asa hanatrarana ny ODD aorian’ny dinika hifanaovan’ireo minisitera ny 15 hatramin’ny 17 jolay hoavy izao.

Manamafy hatrany ny firenena malagasy ny amin’ny fahavononany ny hanatanteraka ny ezaka rehetra azo tsapain-tanana amin’ny fanatrarana ny fandaharan’asa 2030 ary hananganana tontolo mirindra sy maharitra ho an’ny taranaka ho avy.