Madagascar à la célébration de la Fête Nationale de la République Française
Antananarivo, le 12 juillet 2024. Le Ministre des Forces armées et Ministre des Affaires étrangères par intérim, le Général Lala Monja Delphin Sahivelo, a représenté le Gouvernement malagasy à la célébration de la Fête Nationale française.
Au nom de Son Excellence Monsieur Andry RAJOELINA, Président de la République de Madagascar, du Gouvernement et du peuple malagasy, il a adressé ses félicitations à Son Excellence Monsieur Emmanuel MACRON, Président de la République française et ses vœux de paix et de prospérité au peuple français.
Madagascar se réjouit de l’excellence des relations d’amitié de longue date entre les deux pays, fondées sur des liens historiques et culturels solides. Le Ministre a réitéré la volonté de Madagascar à consolider la coopération existante avec la France dans des domaines d’intérêt commun.
Par ailleurs, la France est le quatrième investisseur à Madagascar, représentant près d’un cinquième des investissements directs étrangers. Le Ministre n'a pas manqué de mentionner que Madagascar apprécie la contribution de la France dans les projets stratégiques en matière énergétique, essentiels pour le développement économique et social du pays.
******
Fankalazana ny fetim-pirenena frantsay eto Madagasikara
Antananarivo, 12 jolay 2024. Nisolo tena ny Fanjakana Malagasy tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay ny minisitry ny Foloalindahy sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jeneraly Lala Monja Delphin Sahivelo.Amin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA sy ny Governemanta ary ny vahoaka Malagasy no nitondrany ny fiarahabana an’Andriamatoa Emmanuel MACRON, Filohan’ny Repoblika Frantsay ary ny firariantsoa ho an’ny fandriampahalemana sy ny fanambinana ho an’ny vahoaka Frantsay.
Mankasitraka ny fahatsaran'ny fifandraisana ara-pirahalahiana naharitra ela teo amin'ny firenena roa tonta i Madagasikara, mifototra amin'ny fifandraisana matanjaka ara-tantara sy ara-kolontsaina.
Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra ny fanirian’i Madagasikara mba hanamafisana ny fiaraha-miasa efa misy amin’i Frantsa amin’ny lafiny tombontsoa iombonana.
Ankoatr'izay, i Frantsa no mpampiasa vola fahefatra lehibe indrindra eto Madagasikara, mitovy amin’ny ampahadimin'ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany. Nambaran’Andriamatoa Minisitra fa ankasitrahan’i Madagasikara ny fandraisan’anjaran’i Frantsa amin’ny tetikasa angovo stratejika, ilaina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto amin’ny firenena.
Ambassade de France à Madagascar