Deuxième Conférence de Haut Niveau du Forum sur l’Action Globale pour un Développement Partagé
Madame Rafaravavitafika Rasata, Ministre des Affaires étrangères, représente le Gouvernement Malagasy à la Deuxième Conférence de Haut Niveau du Forum sur l’Action Globale pour un Développement Partagé, se déroulant les 12 et 13 juillet 2024 à l’Hôtel de l’Amitié de Beijing, en Chine.
Cette conférence est organisée par le Centre de Promotion du Développement Mondial de l’Agence Chinoise pour le Développement International (CIDCA). La présence de Madagascar à cette conférence permet de renforcer la coopération avec la Chine, en particulier avec la CIDCA, l’agence coordinatrice de l’assistance au développement de la Chine depuis 2018.
Cette participation met également en avant les priorités du Gouvernement malagasy basées sur les trois piliers de la Politique Générale de l’État définies par le Président Andry RAJOELINA : le développement du capital humain, l’industrialisation, et la gouvernance. Ces priorités trouvent leur écho dans l’Initiative pour le Développement Mondial lancée en 2021 par le Président chinois.
Du côté chinois, la conférence a vu la participation de Son Excellence Monsieur WANG Yi, membre du Bureau Politique, Directeur du Bureau de la Commission des Affaires Étrangères du Comité Central du Parti Communiste Chinois, et Ministre des Affaires étrangères de la République Populaire de Chine, ainsi que de Monsieur LUO Zhaohui, Président de la CIDCA.
*********
Fihaonambe avo lenta faharoa an'ny Forum momba ny Hetsika Maneran-tany ho an'ny fampandrosoana iombonana
Ramatoa RASATA Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, no misolo tena ny Governemanta Malagasy amin’ny fihaonambe avo lenta faharoan’ny Forum momba ny Hetsika manerantany ho an’ny fampandrosoana iombonana natao ny 12 sy 13 jolay 2024 tao amin’ny Hotel Friendship any Beijing, any Sina.
Ity fihaonambe ity dia nokarakarain'ny Centre de Promotion du Développement Mondial de l’Agence Chinoise pour le Développement International (CIDCA). Ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin’izao fihaonambe izao no ahafahana manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Sina, indrindra amin’ny CIDCA, sampan-draharaha mpandrindra ny fanampiana ho an’ny fampandrosoana an’i Sina nanomboka ny taona 2018.
Io fandraisan’anjara io ihany koa dia manasongadina ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana malagasy mifototra amin’ireo andry telo amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana nofaritan’ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny fampivoarana ny maha-olona, ny indostria ary ny fitantanana. Ireo laharam-pahamehana ireo dia mifandraika amin'ny Global Development Initiative natomboky ny Filohan'i Sina tamin'ny taona 2021.
Ity fihaonambe ity dia nahitana ny fandraisan'anjaran'Andriamatoa WANG Yi, mpikambana ao amin'ny Birao Politika, Talen'ny Biraon'ny Vaomieran'ny Raharaham-bahiny ao amin'ny Komity Foiben'ny Antoko Komonista Sinoa, sady Minisitry ny Raharaham-bahinin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina, ary koa Andriamatoa LUO Zhaohui, Filohan'ny CIDCA.