Célébration de la Journée de l'Afrique au Ministère des Affaires étrangères
Antananarivo, le 31 mai 2024 - La célébration de la Journée de l'Afrique a eu lieu aujourd'hui au Ministère des Affaires étrangères, marquant le 61ème anniversaire de la création de l'Organisation de l'Unité Africaine (OUA), devenue l'Union Africaine (UA). Le thème de cette année est : "Éduquer une Afrique digne du 21ème siècle : Construire des systèmes éducatifs résilients pour un accès accru à un apprentissage inclusif, de qualité et pertinent tout au long de la vie en Afrique." Cette journée célèbre l'indépendance, l'unité, la détermination, les valeurs et les ambitions africaines.
"Éduquer un Africain digne du 21ème siècle" est la devise de ce 61ème anniversaire, en cohérence avec le thème de l'année 2024 de l'Union Africaine. C'est une première dans l'histoire de l'UA que l'éducation soit au centre du débat continental.
Lors de son allocution, Madame la Ministre des Affaires étrangères, Rafaravavitafika Rasata, a réaffirmé l'engagement de Madagascar envers l'unité et le développement, en soulignant l'importance de l'éducation dans la politique générale de l’État. Elle a également rappelé la vision du Président Andry Rajoelina d'améliorer l'accès à une éducation de qualité pour tous, et les efforts déployés pour moderniser les infrastructures scolaires et soutenir les familles.
Des résultats significatifs ont été obtenus, avec une augmentation du taux de scolarisation, notamment dans les régions du Sud, grâce aux programmes de lutte contre la malnutrition soutenus par le Président Rajoelina.
—
Fankalazana ny Andron’i Afrika tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny
Antananarivo, 31 mey 2024. Notanterahina androany teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny fankalazana ny Andron’i Afrika, nankalazana ny faha-61 taona nijoroan’ny Fikambanana Afrikana (OUA), izay lasa Vondrona Afrikana (UA) ankehitriny. "Fanabeazana an’i Afrika mendrika ny taonjato faha-21: Manangana rafi-pampianarana mahomby mba hananana fampianarana mampiaty, tsara kalitao sy matanjaka, hampitomboana ny fidirana an-tsekoly mandritra ny androm-piainana, ao Afrika", no lohahevi-dehibe amin’ity taona ity. Manamarika ny fahaleovantena afrikana, ny firaisankina, ny fahavononana ary ny soatoavina ny andro androany.
“Manabe afrikana iray, mendrika ny taonjato faha-21” no teny filamatra amin’ity faha-61 taona ity, izay mifanaraka amin’ny lohahevitry ny Vondrona Afrikanina mandritra ny taona 2024. Voalohany amin’ny tantaran'ny vondrona afrikana ny hananana ny “fanabeazana” ho ivon'ny adihevitra.
Naneho ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny firaisankina sy ny fampandrosoana Ramatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika nandritra ny lahateniny; ary nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Nanamafy ihany koa izy ny amin’ny vinan’ny Filohan’ny Repôblika Andry Rajoelina ho fanatsarana ny fampianarana manaraka ny fenitra ho an’ny rehetra, ny fanavaozana ny fotodrafitrasa an-tsekoly ary ny fanohanana ireo ray aman-dreny.
Nahitam-bokatra ny ezaka tamin’ny fiakaran’ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly, indrindra ny any amin’ny faritra atsimon’ny nosy, noho ny fandaharan’asa hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo notohanan’ny Filoha Andry Rajoelina.