Signature d'un mémorandum d'entente entre Abu Dhabi Ports Company PJSC et Economic Development Board of Madagascar
Antananarivo, le 30 mai 2024. Abu Dhabi Ports Company PJSC (ADP), représentée par son CEO Régional, M. Mohammed Eidha Almenhali, et l’Economic Development Board of Madagascar (EDBM), représenté par son Directeur Général, Mme Josielle Rafidy, ont signé un mémorandum d'entente (MoU) visant à explorer et développer des collaborations stratégiques. La cérémonie de signature, qui s'est tenue dans les locaux du ministère des Affaires étrangères à Anosy, a eu lieu en présence de la Ministre des Affaires étrangères, Mme Rafaravavitafika Rasata.
Ce partenariat marque le début d'une coopération entre ADP, un leader mondial dans le développement et la gestion de ports, zones industrielles et services logistiques multimodaux, et l'EDBM, autorité en charge de la promotion du développement des affaires à Madagascar. Les deux entités ont convenu d'explorer plusieurs domaines de collaboration, incluant le développement des infrastructures portuaires, la numérisation des services logistiques, la formation et le développement des compétences, le développement économique, et le transport maritime.
Durant son allocution, la Ministre des Affaires étrangères a salué cette nouvelle étape franchie dans la coopération de nos deux pays.
Le développement économique autour des ports sera également une priorité, avec la création de villes économiques et de zones franches. De plus, le secteur de la pêche bénéficiera d'infrastructures pour une pêche durable et d'un renforcement des régulations en vigueur.
Rappelons que cette signature représente un résultat tangible des différentes missions dirigées par M. le Président de la République.
—
Fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny orinasa Abu Dhabi Ports Company PJSC sy ny EDBM Madagasikara
Antananarivo, 30 May 2024. Notanterahina androany ny fanaovan-tsonia ny fifanarahaana (MoU) hifantohana sy hampivelatra ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny Abu Dhabi Ports Company PJSC (ADP) sy ny EDBM tetsy amin’ny lapan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ary natrehin-dRamatoa Minisitra Rasata Rafaravavitafika, izany fotoana izany.
Ny Tale jeneraly ara-paritra, Andriamatoa Mohammed Eidha Almenhali, sy Ramatoa Rafidy Josielle, Tale jenerali’ny EDBM, no nanatanteraka izany fanaovan-tsonia izany.
Manamarika ny fiatombohan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ADP, izay manana ny andraikiny lehibe eo amin’ny fampandrosoana sy ny fitantanana ny seranan-tsambo, ny faritra indostrialy ary ny sampan-draharaha lozisialy maro, ary ny EDBM, izay tompon’andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikar izao fifanarahana izao. Nifanaraka ny roa tonta hijery ny seha-piaraha-miasa maro, anisan'izany ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa anivon’ny seranan-tsambo, ny fampivoarana amin’ny sehatra nomerika, ny fampihofanana sy ny fahaiza-manao, ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny fitaterana an-dranomasina.
Nandritra ny lahateniny no nampitan-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny ny fankasitrahana noho'ny dingana vaovao vita eo amin'ny fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta.
Hatao ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana ara-toekarena manodidina ny seranan-tsambo, amin’ny fananganana faritra ekonomika hahafahana mivelatra. Marihina fa hahazo tombony amin’ny fotodrafitrasa eo amin’ny sehatry ny jono maharitra sy ny fanamafisana ny didy aman-dalàna manan-kery ny firosoana amin’ny fanaovan-tsonia toa izao.Marihina etoana fa izao fanaovantsonia izao dia taratry ny fitsidihana ara-pomba ôfisialy izay nataon’ny Filohan’ny Repoblika Ka nahitam-bokatra azo tsapain-tanana.