Signature d'un Mémorandum d'Entente entre Antananarivo et Le Caire

Antananarivo, le 30 mai 2024. La ville d’Antananarivo, représentée par Monsieur Ramanambitana Richard, Président de la Délégation Spéciale de la Commune Urbaine d’Antananarivo, et la ville du Caire, représentée par Son Excellence Madame Rabab Said, Ambassadeur de la République Arabe d’Égypte, ont procédé à une signature d’un mémorandum d'entente.

Dans son discours, Madame la Ministre des Affaires étrangères Rafaravavitafika Rasata, présente à la cérémonie n’a pas manqué d’indiquer que : "La signature de ce mémorandum symbolise bien plus qu’un simple accord ; elle marque le début d’une ère de coopération, de développement et d’échanges entre nos deux pays."

Ce mémorandum concerne plusieurs domaines clés, dont la culture, l’éducation, l’économie, le tourisme et l’environnement. La culture sera un puissant vecteur de rapprochement avec des échanges artistiques et des manifestations culturelles. En éducation, des partenariats entre universités et écoles favoriseront la mobilité des étudiants et des enseignants.

Sur le plan économique, le renforcement des liens commerciaux et des investissements bilatéraux est prévu, soutenant les petites et moyennes entreprises et développant des projets innovants. Le secteur du tourisme bénéficiera également de cette collaboration, en valorisant les sites uniques et en promouvant un tourisme durable. Enfin, les deux villes s’engageront dans des projets communs pour relever les défis environnementaux.

********

Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’Antananarivo sy Le Caire

Antananarivo, 30 Mey 2024. Niroso tamin’ny fanaovan-tsonia fifanekena fifanaraham-piaraha-miasa ny tanànan’Antananarivo, tamin’ny alàlan’Andriamatoa Ramanambitana Richard, Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo, sy ny tanànan’i Le Caire, tamin’ny alàlan’ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Egipta, Ramatoa Rabab Said.

Nanatrika izany lanonana izany Ramatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nandritra ny lahateniny no nanararaotany nanazava ny maha-zava-dehibe ity fanaovan-tsonia ity satria manamarika ny fiandohan’ny fiaraha-miasa hirosoana amin’ny fampandrosoana sy fanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta.

Marihina fa mahakasika sehatra maro ny fifanarahana, ao anatin'izany ny kolontsaina, ny fanabeazana, ny toekarena, ny fizahantany ary ny tontolo iainana. Homen-danja manokana ny sehatry ny kolontsaina noho izany mampifanatona sy manamafy ny fifanakalozana ara-javakanto sy hetsika maro. Eo amin’ny lafiny fanabeazana, hisy ny fampiroboroboana ny fifanakalozana eo amin’ny anjery manontolo sy sekoly maro hijerena manokana ireo mpianatra sy mpampianatra.

Eo amin’ny lafiny toekarena, hohamafisina ny fampiasam-bola sy fifanakalozana ara-barotra, ho enti-manohana ny orinasa madinika sy salantsalany ary ireo tetikasa vaovao. Hahazo tombony amin’izany fiaraha-miasa izany koa ny sehatry ny fizahantany, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ireo toerana miavaka sy ny fampandrosoana ny fizahantany maharitra. Hiroso amina tetik’asa iraisana ihany koa Antananarivo sy Le Caire hahafahana miatrika ny olana mahakasika ny tontolo iainana