Madagascar - Allemagne

Antananarivo 27 mai 2024. Son Excellence Monsieur Michael Gerhard Karl Häusler, Ambassadeur de la République Fédérale d’Allemagne, a effectué une visite de courtoisie auprès de Madame Rafaravavitafika Rasata, Ministre des Affaires étrangères, dans les locaux du ministère à Antananarivo.

C’était une visite d'adieu effectuée par l'Ambassadeur Häusler à la Ministre, à la fin de sa mission diplomatique. Madame la Ministre a exprimé sa gratitude à l'Ambassadeur pour les efforts déployés tout au long de son mandat, notamment pour la mobilisation de l’appui technique et financier de l’Allemagne. Elle a aussi particulièrement souligné son appréciation pour le travail des agences de coopération allemandes en soutien au développement de Madagascar.

De son côté, l'Ambassadeur Häusler a annoncé la prochaine visite d'une délégation d'entrepreneurs allemands à Madagascar, visant à renforcer les relations économiques et commerciales entre les deux pays.

Madagascar - Alemaina

Antananarivo 27 mey 2024. Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an-dRamatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, Andriamatoa Michael Gerhard Karl Häusler, Masoivohon’ny Repoblika Federalin’i Alemaina, androany, teny amin’ny tranoben’ny minisitera, Anosy.

 

Fanaovam-beloma ny anton’ny fihaonana androany nohon’ny fahavitan’Andriamatoa Häusler ny iraka ara-diplomatika nampanaovina azy teto Madagasikara. Tetsy andaniny, naneho ny fankasitrahany ny Masoivoho ny Minisitra Rasata tamin’ny ezaka natao nandritra ny fe-potoam-piasany, indrindra ny fanentanana ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy any Alemaina. Tetsy ankilany, naneho ny fankasitrahany manokana manoloana ny fiaraha-miasa tamin’ny masiovoho Alemaina ihany koa izy amin’ny fanohanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Nanararaotra io fihaonana io Andriamatoa Häusler nanambara ny fitsidihana manaraka izay ho tanterahin’ny delegasiona mpandraharaha alemà eto Madagasikara, mikendry ny hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta.