Madagascar - Suisse
Antananarivo 27 mai 2024. Madame la Ministre des Affaires étrangères, Rafaravavitafika Rasata, a reçu en audience Son Excellence Monsieur Rolf Stalder, Ambassadeur de Suisse, lors d'une visite de courtoisie dans les locaux du ministère à Anosy.
Les discussions entre Madame la Ministre et l'Ambassadeur Stalder se sont principalement axées sur des questions relatives à la paix sur le plan international et en Europe. Cette rencontre a également permis d’échanger sur des sujets d'actualité et de renforcer les liens de coopération entre Madagascar et la Suisse.
—
Madagasikara - Soisa
Antananarivo 27 Mey 2024. Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika tao amin’ny toeram-piasany tetsy Anosy Andriamatoa Rolf Stalder, Masoivohon’i Soisa, izay nanatontosa fitsidihana ara-pomba fanajana.
Niompana indrindra tamin’ny resaka fandriam-pahalemana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy any Eoropa ny dinika nifanaovan’ny Ramatoa Minisitra Rasata sy ny Masoivoho Stalder. Nanararaotra io fihaonana io ny roa tonta niresaka momba ny olana ankehitriny sy nidinika ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Soisa.