Le projet TADY se porte bien

 Le Ministère des Affaires étrangères a accueilli aujourd'hui la deuxième réunion du Comité de pilotage (COPIL) du projet TADY – Tantsoroka ho an’ny Diaspora, un projet financé par l'Agence Française de Développement (AFD) avec l'appui technique d'Expertise France et mis en œuvre avec les partenaires OIM et IRD. 
 
Cette deuxième réunion du COPIL a permis d’examiner l’avancement du projet, de faire des arbitrages par rapport aux difficultés rencontrées lors de sa mise en œuvre, ainsi que d’identifier les défis à relever pour les prochaines échéances.
 
Les trois composantes du projet ont été passées en revue. Il est à noter que le programme LOHARANO fait partie intégrante du projet et que la première vague de jeunes volontaires de la diaspora arrivera incessamment à Madagascar pour s’implanter dans les structures locales et participer à des activités de développement pendant quatre à six mois.
 
Le COPIL, composé de représentants du MAE, de l'AFD, d'Expertise France, de l'OIM, de l'IRD, du Ministère en charge de la Décentralisation et du Ministère du Travail, de la Fonction Publique et des Lois Sociales, se réunit tous les six mois. La première réunion a eu lieu à Paris en novembre 2023.
 
Lors de l'ouverture de cette réunion, le Secrétaire Général du MAE, Président du COPIL, a réitéré l’engagement du Ministère dans la mise en œuvre du Projet TADY, qui contribue à la réalisation des trois principaux piliers de la Politique Générale de l’État.
 
*********
 
Miroso ny fanatanterahana ny tetikasa TADY. 
 
Nandray ny fivoriana faharoan’ny Komity mpitantana ny tetikasa TADY (COPIL), an’ny Minisitera androany ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.  Tetikasa vatsian’ny AFD vola, miaraka amin’ny tohana teknikan’ny Expertise France sy ireo mpiaramiombon’antoka OIM sy IRD ny TADY na Tantsoroka ho an’ny Diaspora. 
 
Nahafahana nandrefy ny zavabita sy namaha ny sakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ary nijery sahady ny fanatanterahana ireo asa mbola hatrehina ato anatin’ny volana vitsy ho avy ity fivoriana natao androany ity. 
 
Nojerena tsirairay araka izany ny fandroson’ireo sahan’asa ao anatin’ny sokajy telo mandrafitra ny tetikasa, izay mahakasika ny malagasy am-pielezana. Ao anatin’izany ny fandaharanasa LOHARANO II, izay hiandrasana atsy ho atsy ireo tanora malagasy am-pielezana, hirotsaka eny ifotony, hitondra anjara biriky amin'ny fampandrosoana eto Madagasikara, mandritra ny efatra ka hatramin’ny enim-bolana. 
 
Ny solontena avy amin’ny Minisiteran'ny Raharaham-hahiny, ny AFD, ny Expertise France, ny OIM, ny IRD, ny Minisitera misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny Minisitera misahana ny asa no mandrafitra ny COPIL. Mivory indroa isan-taona ity komity ity, ary tany Paris, Frantsa no notanterahina fivoriana voalohany tamin’ny herintaona. 
 
Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny no Filoha mpitarika ny COPIL, ka nandritra ny fanokafana ny fivoriana androany no nanamafisany ny fahavononan’ny Minisitera hiroso hatrany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa TADY.  
 
Tsiahivina fa mifandraika amin’ny andry telo lehiben’ny politika ankapoben’ny fanjakana ireo sahanasa voafaritra ao amin’ny tetikasa TADY.