Ministre des Affaires étrangères - Ministre coach de la Région DIANA

La Ministre des Affaires étrangères et Ministre par intérim de la Culture et de la Communication, Rafaravavitafika Rasata, a  fait une descente dans la capitale de la région DIANA ce jour, en tant que Ministre coach de cette Région.
 
Elle a accompagné Monsieur le Président de la République, Andry Rajoelina ainsi que le Ministre des Transports et de la Météorologie, Valéry Ramonjavelo. C’était l’occasion pour le Président de la République de présenter aux populations d’Antsiranana un certain nombre de réalisations du gouvernement à savoir le bâtiment du campus universitaire, le bâtiment de Direction régionale de la pêche et de l’économie bleue, les lampes « hazavana ho anao » au Gymnase couvert Soafeno, le bâtiment de la Direction régionale de la Sécurité publique et la pose de la première pierre de la route reliant Antanamirana et Joffre Ville (Antsiranana II).
 
La population était satisfaite de cette marque d’attention à son endroit.
 
*******
 
Minisitry ny Raharaham-bahiny, Minisitra mpiahy ny Faritra DIANA
 
Tonga soa tao Antsiranana io maraina io ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sady mpisolo toerana ho an'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Rasata Rafaravavitafika.
 
Niaraka tamin'i Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro sady Mpisolo toerana ho an'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izy tamin’izany. 
 
Miaraka amin'ny Filoham-pirenena any an-toerana moa izy ireo nanao fanolorana zavatra maromaro:
- Trano fatorian'ny Mpianatra aty amin'ny Oniversiten'Antsiranana
- Trano fiasan'ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga
- "Hazavana ho anao" amin'ny Gymnase Couvert Soafeno,
- Trano fiasan'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka,
- Fanombohana làlana Antanamirana - Joffre Ville (Antsiranana II)
 

Vory maro sady hita taratra fa faly ny vahoaka satria tsy manadino azy ireo ny Fitondram-panjakana.