Madagascar – Mission d’observation électorale de l’Union Africaine
ntananarivo, le 24 mai 2024. L’Union Africaine a dépêché une Mission d’observation électorale à Madagascar dans le cadre des élections législatives du 29 mai 2024. Cette Mission a effectué une visite de courtoisie auprès du Ministère des Affaires étrangères, comme le veut la pratique.
La mission est dirigée par Madame Karine Kakasi SIABA, Chef du service Politique et Elections auprès de la Commission de l’Union africaine.
La Cheffe de mission a souligné que Madagascar est un membre cher à l’Union Africaine et que la mission déploiera tous les efforts pour soutenir le processus électoral, à l’instar de celui des présidentielles du 16 novembre 2023.
Pour sa part, le Secrétaire général du Ministère des Affaires étrangères a réitéré les remerciements de Madagascar à la Commission de l’Union Africaine pour avoir répondu favorablement à son invitation à observer et soutenir le processus électoral dans le cadre des élections législatives du 29 mai 2024. Il a rappelé que Madagascar est parmi les modèles en Afrique en matière de démocratie, à l’heure où le nombre de changement de régimes anticonstitutionnels a atteint un record sur le Continent.
Il a toutefois tenu à souligner que le gouvernement ne joue qu’un rôle d’appui dans l’organisation des élections. Cette attribution revient entièrement à la Commission Electorale Nationale Indépendante (CENI), une institution indépendante et impartiale.
Le Ministère des Affaires étrangères a également réitéré l’importance de la tenue d’une élection dans les meilleures conditions, pour soutenir l’élan de développement sur lequel le gouvernement malagasy est pleinement engagé.
********
Madagasikara – Vondrona Afrikanina mpanara-maso ny fifidianana
Antananarivo, 24 mey 2024. Nandefa iraka mpanara-maso ny fifidianana eto Madagasikara mandritry ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey 2024 hoavy izao ny Vondrona Afrikanina. Araka ny fanao dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana anivon'ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny izy ireo, izay tarihin-dRamatoa Karine Kakasi SIABA, lehiben’ny sampan-draharaha politika sy fifidianana ao anatin'ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina.
Nandritra ny fihaonan'izy ireo tamin'ny Sekretera jeneralin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, Andriamatoa KOLA Emi-Haulin no nohamafisin-dRamatoa Karine Kakasi SIABA fa amin'ny maha mpikambana mavitrika an'i Madagasikara anatin'ny Vondrona afrikana, dia hanao ny ezaka rehetra izy ireo ny hizoran'ny fifidianana anaty filaminana, toy ny nandritra ny fifidianana Filohan'ny Repôblika tamin'ny 16 desambra 2023.
Namerina ny fisaorana tamin'ny Vondrona afrikana Andriamatoa Sekretera jeneraly ny amin'ny fahatongavan'izy ireo hanara-maso ny fizotry ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao. Nanamafy ihany koa ny tenany fa i Madagasikara dia azo lazaina fa isan'ny firenena fitaratra amin'ny fampiharana sy fanajana ny demokrasia anatin'ny kaontinanta afrikana, manoloana ny fiakaran'ny tahan'ny firenena izay ahitana tsy fanajana ny lalam-panorenana manerana an'Afrika.
Nohamafisiny hatrany fa manohana ny fikarakarana ny fifidianana ihany ny fitondram-panjakana fa ny asa miodidina rehetra sy ny fanatanterahana izany dia miankina tanteraka amin’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), noho izy andrimpanjakana mahaleo tena sy tsy mitanila.
Ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny dia mampatsiahy hatrany ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny fomba mirindra hirosoana hatrany amin'ny fampandrosoana izay imason'ny gouvernemanta malagasy ankehitriny.