Madagascar – Mission d’observation électorale de la SADC (SEOM)
Antananarivo le 23 mai 2024. La Mission d'observation électorale de la SADC (SEOM) a effectué une visite de courtoisie auprès du Secrétaire général du Ministère des Affaires étrangères, Monsieur Emi-Haulin KOLA, ce jour. Cette rencontre s'inscrit dans le cadre de la préparation des élections législatives du 29 mai.
Rappelons que conformément à la pratique habituelle d’observation des élections dans les États membres de la SADC, les principes et lignes directrices révisés de la SADC régissant les élections démocratiques prévoient que la SEOM participe aux observations des élections qui se tiennent dans un État membre.
Leur mission consiste à :
- Évaluer si le climat politique et sécuritaire du pays est propice à la tenue d’élections libres, justes, transparentes, crédibles et paisibles.
- Évaluer le cadre juridique régissant les élections législatives de 2024 à Madagascar.
- Évaluer si la Commission électorale nationale indépendante est prête à organiser les élections législatives prévues le 29 mai 2024.
Lors de cette visite, la délégation de la SEOM a annoncé le déploiement effectif de leur mission d’observation électorale à Madagascar. Les observateurs seront répartis dans les six provinces pour garantir une couverture exhaustive des prochaines élections législatives.
La SEOM a profité de cette occasion pour expliquer leur mission notamment écouter les points de vue des parties prenantes, renforcer la confiance du public et promouvoir la participation citoyenne à Madagascar concernant la conduite des élections législatives.
**********
Madagasikara - Mpanara-maso ny fifidianana anatin’ny SADC (SEOM)
Antananarivo 23 mey 2024. Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ny SEOM, iraka mpanara-maso ny fifidianana anatin’ny SADC, ary noraisin'Andriamatoa KOLA Emi-Haulin, Sekretera jeneralin'ny minisitera. Tafiditra anatin’ny fanomanana ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey izao fihaonana izao.
Tsiahivina fa mifanaraka amin’ny fomba fanao mahazatra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana any amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC izao iraka izao. Ny fitsipiky ny SADC sy ny tondrozotra mifehy ny fifidianana demokratika dia maniraka ny SEOM hanara-maso ny fifidianana amin’ny Fanjakana mpikambana mikarakara fifidianana.
Hiompana amin’ireto teboka manaraka ny anton-dian’izy ireo:
- Tombanana ny amin’ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka, madio, mangarahara. Hijery izy ireo raha azo itokisana sy milamina ny fizotry ny politika sy ny filaminana eto Madagasikara.
- Tombanana ny rafitra ara-dalàna mifehy ny fifidianana solombavambahoaka 2024 eto Madagasikara.
- Tombanana raha vonona ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny amin’ny fikarakarana rehetra.
Nandritra io fihaonana tamin'Andriamatoa Sekretera jeneraly io no nanambaran’ny delegasiona SEOM ny fanendrena ireo mpanara-maso ny fifidianana eto Madagasikara. Hiparitaka manerana ny renivohi-paritra enina ireo mpanara-maso mba handrakofana tanteraka ny fifidianana solombavambahoaka ho avy.
Nanararaotra nanazava ny iraka hampanaovina azy ireo ny SEOM. Isan’izany ny fihainoana ny hevitry ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana, hahafahana mampiroborobo ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara malalaka eto Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka.