Réunion extraordinaire du Sommet de la SADC sur le Phénomène El Niño, 20 mai 2024

Mme Rasata Rafaravavitafika a représenté SEM Andry Rajoelina, Président de la République, à la réunion extraordinaire du Sommet de la SADC sur le Phénomène El Niño, le 20 mai 2024 par visioconférence.

Un sommet pour lutter contre la sécheresse dans la sous-région 
 
Présidée par SEM João Lourenço, Président de la République d’Angola et Président en exercice du Sommet de la SADC, cette réunion est en réponse aux divers appels des États membres face aux effets climatiques dévastateurs dus au changement climatique, dont Madagascar qui a mobilisé les appels à l’aide internationale en déclarant l’état de sinistre national le 3 avril 2024, suite au passage du cyclone GAMANE.
 
Une aide humanitaire en faveur des 1,4 million de Malagasy en situation vulnérable 
 
Cette réunion est à la fois un gage de solidarité régionale et un engagement pour faire face ensemble à ce défi commun et partagé. En effet, près de 61,7 millions de personnes sont touchées par les effets du Phénomène El niño dans la région de la SADC, et sont ainsi en situation d’insécurité alimentaire et nutritionnelle. Près de 57 millions de personnes sont en attente d’une aide humanitaire d’urgence, dont 1,4 millions de Malagasy.
 
Pour une coopération régionale plus soutenue 
 
Les effets sont multiples touchant les domaines stratégiques de l’agriculture et la sécurité des moyens de subsistance, la sécurité alimentaire et nutritionnelle, la santé, l’eau et les ressources énergiques. Chaque point a été discuté et les États membres ont convenu qu’il est impératif de renforcer les stratégies et plans régionaux à court, moyen et long terme. En outre, le renforcement de la coopération régionale, à travers les projets inter-étatiques, a également été encouragé.
 
Lancement officiel de l’appel humanitaire de la SADC
 
La SADC a ainsi lancé officiellement un appel humanitaire pour répondre aux impacts de la sécheresse provoquée par El Niño. A ce stade, les besoins régionaux ont été évalués à 5 milliards de dollars dont 108 millions pour Madagascar. L’évaluation au niveau de chaque État membre se poursuivra toutefois, à l’issue de laquelle, ce montant sera  réévaluée en conséquence.
 
Situation en RDC 
 
Le Sommet a également tenu à exprimer la solidarité de la SADC envers la RDC et au peuple congolais. Les États membres ont fermement condamné la tentative de coup d’Etat du 19 mai 2024, en réaffirmant le principe de tolérance zéro face au changement anticonstitutionnel de régime.
 
Le Sommet a réuni 9 Chefs d’état et de gouvernement et 6 ministres de la SADC.
 
******
Fivoriana ampitain-davitra tsy ara-potoanan’ny vondrona SADC momba ny trangan-javatra El Niño, 20 mey 2024. 
 
Rtoa Rasata Rafaravavitafika no nisolo tena an’i Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblika, tamin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Vondrona SADC momba ny trangan-javatra El Niño, ny 20 mey 2024 tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra. 
 
Fihaonana an-tampony hiadiana amin'ny haintany any amin'ny faritra Notarihin’i Andriamatoa João Lourenço, filohan’ny Repoblikan’i Angola sady filohan’ny Vondrona  SADC amin’izao fotoana izao, ity fihaonana ity dia ho valin’ny antso samihafa avy amin’ireo firenena mpikambana manoloana ny voka-dratsin’ny toetr’andro vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, anisan’izany i Madagasikara izay nanetsika ny antso ho amin’izany. Fanampiana iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny fanambaram-pirenena fa firenena niharan’ny  loza voajanahary ny 3 aprily 2024, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza GAMANE. 
 
Fanampiana maha-olona ho an'ny Malagasy 1,4 tapitrisa ao anatin'ny toe-javatra marefo Ity fihaonana ity dia sady antoky ny firaisankinam-paritra no finiavana hiara-hiatrika izany fanamby iraisana izany. Olona efa ho 61,7 tapitrisa tokoa no tratran’ny El Niño  any amin’ny faritra SADC, ka ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Manodidina ny 57 tapitrisa ny olona miandry fanampiana vonjy maika, ahitana Malagasy 1,4 tapitrisa. 
 
Ho an'ny fiaraha-miasa maharitra kokoa eo anivon’ny Faritra SADC
 
Marobe ny vokany, miantraika amin’ny sehatra stratejika amin’ny fambolena sy fivelomana, ny fiarovana ny sakafo, ny fahasalamana, ny rano ary ny angovo. Noresahina ny teboka tsirairay ary nanaiky ireo firenena mpikambana fa ilaina ny fanamafisana ny paikady sy drafitra isam-paritra amin'ny fotoana fohy, antonony ary maharitra. Ankoatra izay, nentanina ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra, amin’ny alalan’ny tetikasa iraisam-pirenena. 
 
Natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny antso ho an'ny maha-olona ny SADC 
 
Nanao antso avo amin’ny maha-olona ny SADC mba hamaliana ny fiantraikan’ny hain-tany vokatry ny El Niño. Amin’izao dingana izao, tombanana ho 5 miliara dolara ary 108 tapitrisa ho an’i Madagasikara ny filàna isam-paritra. Mbola hitohy ihany anefa ny fanombanana eo amin’ny ambaratongan’ny Fanjakana mpikambana tsirairay, ka amin’ny farany dia haverina araka izany ny tombana izany vola izany.
 
Toe-draharaha any RDC 
 
Naniry ny haneho ny firaisankinan’ny SADC amin’ny RDC sy ny vahoaka Kongoley ihany koa ny Vondrona. Ireo firenena mpikambana dia nanameloka mafy ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny 19 mey 2024, izay nanamafy ny foto-kevitry ny fandeferana aotra manoloana ny fiovan'ny fitondrana tsy araka ny lalàm-panorenana. 
Nivondrona tamin’ny fihaonana an-tampony ireo Lehiben’ny Fanjakana sy Governemanta miisa 9 ary minisitra 6 avy amin’ny SADC.