Modélisation des Nations Unies (MUN) au Ministère des Affaires étrangères
Antananarivo, 15 mai 2024. La troisième édition de simulation de négociations internationales de la Modélisation des Nations Unies (MUN) a été lancée aujourd'hui à Anosy.
Prévue se tenir durant trois jours, la MUN permet aux étudiants de l’Institut des Etudes Politiques (IEP) à Madagascar, d’acquérir les compétences nécessaires en termes de négociations, de comprendre l’importance du rôle des Nations Unies dans la construction d’un monde plus juste et plus sûr.
La MUN inculque également aux étudiants l'importance de la diplomatie multilatérale qui est un outil indispensable dans le règlement pacifique des conflits, la promotion du dialogue et la compréhension mutuelle.
Le thème pour cette troisième édition se porte sur « L’intelligence artificielle ». Le choix de ce thème intervient dans un contexte mondial marqué par des conflits, une évolution du contexte géopolitique et soumis au changement climatique.
La présence des diplomates de carrière lors de ces sessions permet aux étudiants de bénéficier de l’encadrement d’agents qualifiés et ayant une forte expérience dans ce domaine et de bénéficier de partage d’expériences.
*********
Antananarivo, 15 mey 2024. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Anosy, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika “Modélisation des Nations Unies” (MUN).
Ny MUN dia hetsika iray entina ampahafantarana sy ampiharan’ireo mpianatra eo anivon'ny sekoly ambony _Institut des Etudes Politiques_ eto Madagasikara, ny fifampiraharahana iraisam-pirenena eo anivon’ny Firenena mikambana.
Tsara ny manamarika fa mitàna andraikitra lehibe ny Vondron’ny firenena mikambana amin’ny fisorohana ny *fikorontanana* sy ny ady eo amin’ny samy firenana.
Mandritra ny telo andro dia hiaraka hifanakalo sy hiady hevitra ireto mpianatra ireto, toy ny fanao mandritran’ny fivoriambe ara-potoanan’ny Firenana mikambana.
Ampahafantarina mandritra ity hetsika ity ihany koa ny maha zava-dehibe ny diplomasia marolafy izay fitaovana voalohany ampiasaina entina hisorohana ny ady eo amin’ny samy firenana ary sehatra ifampiresahana hitadiavana ny marimaritra iraisana raha toa ka efa misy ny ady sy ny korontana.
“Intelligence artificielle”, no lohahevitra nosafidiana tamin'ity andiany fahatelo ity , izay adika amin’ny teny malagasy hoe “Hanarita-tsaina Voatrolombelona”.
Ny fifampizarana traikefa sy ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo andrianjohany matianina sy ireo mpianatra mpandray anjara dia ahafahan’ireto farany mandrefy ny fanamby sy ny fahasarotam-padin'ny asan’ny andrianjohany amin'ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena.