Echos de la levée des couleurs au Ministère des Affaires étrangères

Comme chaque mois, la Ministre des Affaires étrangères, Rafaravavitafika Rasata rencontre tout le personnel du ministère pour une rétrospective des actions entreprises et celles en cours au sein du Ministère des Affaires étrangères. Ce moment de partage est crucial pour l'engagement collectif en faveur de la diplomatie malagasy.

 

  • Ce mois-ci, Madame la Ministre, Rafaravavitafika Rasata a annoncé sa participation à la réunion de la Commission Mixte de Coopération entre la République de Madagascar et la République de Maurice, du 15 au 17 mai, à l'île Maurice. 
  • De plus, la Ministre a partagé avec le personnel les résultats fructueux du récent déplacement aux Émirats Arabes Unis, aux côtés de la délégation menée par le Président de la République, Andry Rajoelina. Ces rencontres ont ouvert de nouvelles opportunités pour Madagascar notamment:  
Une rencontre avec le Ministre du Commerce extérieur pour attirer les investisseurs émiratis vers Madagascar, avec la mise en place d'une commission économique mixte.
  • La présentation d'une lettre officielle, par le Président Rajoelina au Ministre d’Etat au Ministère des Affaires étrangères Emirati, marquant l'engagement de Madagascar pour l'ouverture d'une nouvelle ambassade à Abou Dhabi, capitale des Émirats Arabes Unis, avec des discussions en cours pour son implantation.
  • Des discussions sur les collaborations en matière d'énergie renouvelable avec l'IRENA, une plateforme de gestion de l'énergie renouvelable à Dubaï.
  • Une rencontre avec les femmes entrepreneures de l'Union of Arab Women Investors, ouvrant la voie à une collaboration avec le secteur privé malagasy. Elles ont invité Madagascar à participer à un Sommet qui se tiendra en Egypte en novembre. 
Madame la Ministre a exprimé ses remerciements à l’endroit de tout le personnel pour les efforts effectués, soulignant les défis à venir, notamment la construction du nouveau ministère à Tanamasoandro et la mise en œuvre des actions découlant des déplacements récents au Maroc, en Turquie et aux Émirats Arabes Unis.
----
 
Fotoana nahafahana nanao jery todika ny asa vita, izay an-dalam-panatanterahana azy, ireo asa marobe mbola miandry, ny fotoanan’ny fananganan-tsaina androany alatsinainy teo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. 
 

Amin’ity volana ity no hatao ny Vaomiera iombonana faharoa iraisan’ny Nosy Maurice sy i Madagasikara sy ny filan-kevitry ny Minisitry ny ranomasimbe indiana (COI). Nizara vaovao momba ny diany tany ivelany farany teo ihany koa Ramatoa Minisitra RASATA Rafaravitafika, dia ny nandehanany tany Emirà Arabo mitambatra niaraka tamin’ny filohan’ny Repôblika ka nampahafantarana ireo sehatra maro ahafahana mampiasa vola eto Madagasikara sy ireo sehatra misongadina ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara :

  • Nisy ny fihaonana tamin’ny Minisitry ny varotra ivelany, misahana ny fitiliana sy fisintonana manampahaizana sy mpanankarena manerantany hipetraka any aminy. Natsangana ny vaomiera ara ekonomika iombonan’ny firenena roa tonta hanampiana ireo mpandraharaha Emirati te hampiasa vola aty Madagasikara. 
  • Tetsy andanin’izany, dia nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny Minisi-panjakana misahana ny Raharaham-bahiny, nanoloran’ny Filoham-pirenena malagasy ny taratasy manambara ny fahavononan’i Madagasikara hanokatra masoivoho any Abu Dhabi, ka efa andalana ny fifampiraharahana, hijerena izay toerana hasiana io masoivoho vaovao io. 
  • Ny momba ny fampiasana ny angovo azo havaozina kosa no nifampiresahana tamin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny IRENA, izay ivontoerana misahana izany angovo azo havaozina izany. Ny tanjona dia ny hirosoana faran’izay haingana amin’ny fidirana ao amin’ny IRENA, amin’ny maha firenena marefo antsika manoloana ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro. 
  • Nisy koa ny fihaonana manokana nataon-dRamatoa Minisitra tamin’ireo vehivavy arabo mpandraharaha ao anatin’ny Union of arab women investors. Naniry hiara hiasa amin’ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara izy ireo ary manasa antsika hanatrika ny fihaonam-be izay hatao any Ejipta ny volana Novambra ho avy izao. 
Nisaotra ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Ramatoa Minisitra noho ny vokatra rehetra azo nandritra izay fiaraha-miasa izay. Fanamby lehibe mbola miandry kosa ny fanaraha-maso ny fametrahana ny Minisitera eny amin’ny TANAMASOANDRO, ny fanohizana ny asa vokatr’ireo dia nataon’ny Minisitra tany ivelany, toa ny tany Maroc, Torkya ary Emirà arabo mitambatra.