MAE - Rencontre avec le SG du SCEAM
Madame Rafaravavitafika Rasata, Ministre des Affaires étrangères, a reçu en audience le Secrétaire général adjoint du Symposium des Conférences Épiscopales d'Afrique et de Madagascar, Révérend Fr. Jean Germain Rajoelison, ce lundi 13 mai 2024 dans les locaux du Ministère à Anosy.
Au cours de leurs échanges, Madame la Ministre a remercié le SG du SCEAM et son équipe pour leur visite à Madagascar, une occasion de discuter des questions d'intérêt commun.
Elle a également souligné que leur engagement et leur dévouement pour l'Eglise constituent une source d'inspiration, raison pour laquelle le Ministère affirme son soutien aux activités du SCEAM.
La Ministre a par ailleurs exprimé les reconnaissances du Gouvernement malagasy par rapport aux rôles du SCEAM dans la promotion de la paix, de la justice et du développement sur le continent africain. La lutte contre la pauvreté, les maladies et la promotion des droits humains et de la bonne gouvernance sont les domaines essentiels dans lesquels le SCEAM est très actif.
-----
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin-dRamatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Rev. Fr. Rajoelison Jean Germain, Sekretera jeneraly lefitra ny "Symposium des Conférences Épiscopales" ao Afrika sy eto Madagasikara, ny 13 mey 2024.
Nandritra ny fihaonana no nanararaotan-dRamatoa Rasata naneho ny fankasitrahany manoloana izao fitsidihan'ny ireo delegasiona SCEAM eto Madagasikara izao. Fotoana ihany koa hahafahana midinika ny tombontsoa iombonana anatin'ny fiarahamonina.
Nanamafy ny fisaorany ihany koa Ramatoa Minisitra manoloana ny fandavantena lehibe asehon'ny SCEAM amin'ny asa rehetra ataon'izy ireo anivon'ny fiangonana ary naneho ihany koa ny tenany ny amin'ny fanohanan'ny minisitera izay tantanany amin'ny asa fampivoarana ataon'ny SCEAM.
Nanararaotra izao fihaonana izao koa Ramatoa Minisitra hamporisihana ny SCEAM hanohy ny ezaka rehetra ho fitandrovana ny fandriam-pahalemana sy ny fampanjakana ny rariny ho fampandrosoana ny kaontinanta afrikana. Marihina fa ny SCEAM dia manana ny andraikiny ihany koa eo amin'ny sehatra maro toy ny ady amin'ny fahantrana sy ny aretina, ny fiarovana ny zon'olombelona ary fampivoarana ny fahaiza-mitantana.