Les orientations de la Diplomatie Malagasy

Antananarivo 13 mai 2024. Une séance de présentation des orientations de la Diplomatie Malagasy à la presse s’est tenue au Ministère des Affaires étrangères ce lundi 13 mai 2024.

Au cœur des échanges : un aperçu complet des missions et des initiatives menées par le Département depuis janvier 2024, présenté par Madame la Ministre elle-même. Sous le thème " Madagascar et le monde : avancées stratégiques dans un monde en mutation ",

cette rencontre a souligné l'engagement du Ministère en faveur d'une diplomatie complète, avec un accent particulier sur la diplomatie économique offensive.

La Ministre n'a pas manqué de rappeler que le Ministère applique la diplomatie tous azimuts et œuvre continuellement pour réaliser la vision "Madagasikara, tsy maintsy mandroso" ou “Madagascar doit se développer “. 

Cette rencontre entre dans le cadre de la promotion de la transparence de l'administration publique et l'obligation pour le Ministère de mettre les citoyens malagasy au même niveau d'information afin d'éviter toute désinformation.

**********

Antananarivo 13 mai 2024. Nihaona tamin'ny mpanao gazety androany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, nizara ny loha-hevidehibe iompanan'ny diplomasia malagasy. 

"Madagasikara sy izao tontolo izao: Ny fivoarana stratejika anatin'ny fiovan'ny firenena maneran-tany" no loha-hevitra nitondrana ny dinidinika sy ny tafatafa nifanaovana tamin'ireo mpanao gazety, ary Ramatoa Minisitra Rasata no nitarika izany fihaonana izany. 

Nahafahana nanazava ny anjara toeran'ny ministera sy ny diplaomasia ekonomika, feno ary maritoerana manoloana ny fihazakazahan’ny fivoarana manerantany ny fotoana toy ny androany. 

Nanamafy ihany koa Ramatoa Minisitra ny amin'ny maha diplomasia misokatra amin’ny firenena rehetra ary miasa hoan'ny rehetra ny diplomasia ampiharin'ny ministeran'ny Raharaham-bahiny, ka ny hahatratra ny tanjona izay efa napetraky ny fitondram-panjakana no hoatao ho laharampahamehana : "Madagasikara tsy maintsy mandroso"

Ny endriky ny fihaonana toy izao dia entina hitondrana fanazavana be be kokoa amin'ny fomba mangarahara ny amin'ny asam-panjakana ary koa, zava-dehibe hoan'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ny mampahafantatra ny fivoaran'ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ireo firenena any ivelany amin'ny Malagasy rehetra mba hialana amin'ny fiparitahan'ny vaovao tsy mari-pototra.