Lanonana fanolorana mari-boninahi-pirenena
Tontosa ny alakamisy faha 21 Janoary 2021 teo ny lanonana fanolorana mari-boninahi-pirenena hoan’ny mpiara-miasa miisa folo teo anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny. Ny lanonana dia teo ambany fiahian’ny Minisitra Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva.
Iray tamin’ireto nahazo mari-boninahitra no notolorana « Grand-Croix de 2eme classe », roa no notolorana « Grand officier de l’ordre national », telo no notolorana « Commandeur de l’ordre national », iray notolorana « Officier de l’ordre national » ary telo no notolorana « Chevalier de l’ordre national ».
« Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga. Koa ho fakan-tahaka tokoa anie ny ezaka rehetra nataonareo ho fampandrosoana ity Madagasikara Nosy mamintsika ity», hoy ny Minisitry ny Raharam-bahiny, nandritra ny lahateny fiarahabana azy ireo.
Notsiahivin’ny Andriamatoa Minisitra ihany koa nandritra ity lanonana ity ny hafatry ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, mba ho “taonan’ny asa” ity taona ity. Nanentana ny mpiara-miasa rehetra, araka izany, ny Minisitra TEHINDRAZANARIVELO mba handray anjara mavitrika eo amin’ny ezaka fampandrosoana izay imasoan’ny firenena iray manontolo.